Flash
Préc Suiv

Rallye mathématique: manomboka ny fisoratana anarana

Rallye mathématique: manomboka ny fisoratana anarana

Andiany faha-18 ny fifaninanana rallye mathématique karakarain’ny lycée français eto amintsika sy ny fikambanan’ny mpampianatra ny taranja matematika eto Madagasikara(Gemma) amin’ity taona ity.

Mpianatra manomboka amin’ny kilasy 6ème ka hatramin’ny famaranana mampihatra ny rafi-pampianarana frantsay sy malagasy no afaka mandray anjara. Ho an’ny sekoly liana, afaka misoratra anarana eny anivon’ny Cisco misy ny toeram-pampianarany izy ireoka hifarana ny 1 febroary 2019 izany. Hifanintsana voalohany ny ekipa isaky ny sekoly, ny 13 febroary 2019. Heverina ho tanterahina eto Antananarivo ny 29 mey 2019 kosa ny filazana izay mpandresy sy ny fizarana ny loka samihafa. Tamin’ny andiany 17 lasa, 12 000 ny mpianatra nandray anjara avy amin’ny sekloly 150 manerana ny faritra sivy. Tanjona ny handrisika ny mpianatra hitia ny taranja matematika sy hampiroborobo ny fisafidianan’ny ankizy io taranja io amin’ny fanadinana bakalorea  (sokajy S). Amin’ny alalan’ny kilalaon-tsaina iarahan’ny ekipa no itondrana ny fifaninanana ary misy sokajy efatra, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Gemma, Ramahazosoa Irrish Parker, teny Anosy. “Fototry ny fampianarana rehetra ny matematika ary tsy handroso ny firenena raha tsy mihamaro ny taranaka aty aoriana tia io taranja io”, hoy ny nambarany ihany. Matetika ny fomba fampitan’ny mpampianatra ny lesona momba ny matematika no tsy mahasarika ny mpianatra ka mitarika azy ireo tsy hahafehy izany.

Nanomboka ny taona 2017, niara-niasa amin’ny Gemma ny minisiteran’ny Fanabezana nikarakara ny fifaninanana. Fanovana nentina amin’ity andiany ity ny fitomboan’ny isan’ny ekipa isam-paritra ho telo amin’ny famaranana.

 

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique