Flash
Préc Suiv

Raharaha tao Ambodihazinina: olona 21, hiakatra fampanoavana anio

Anio zoma 7 desambra maraina no hiakatra eo anoloan’ny fampanoavana fitsarana ambaratonga voalohany sy ny mpitsara mpanao famotorana ny raharahana fitsarambahoaka nahafatesana polisy inspektera telo lahy, tany Ambodihazinina Fenoarivo Atsinanana, izay samy mpiasa eo anivon’ny sampana ekonomika. Hisy koa ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety hataon’ny lehiben’ny tonia mpampanoa lalana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Atoa, Rajaonh Thierry. Heverina fa hifantoka tamin’ny raharaha mafampana rehetra  niseho teto anatin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ny valan-dresaka. Ankoatra ity vonoan ‘olona ity, fantatra fa horesahina ihany koa ny momba ny  fakana an-keriny an’ i Armane Kamis, fandosirana gadra tao Ambalatavoahangy ary raharaha mafana rehetra izay miendrika tsy fandriam-pahalemana.

Andrasana, araka izany, izay votoanton’ity resaka ho atao ho an’ny mpanao gazety. Toy izany koa ny fanolorana ny fampanoavana ireo olona voarohirohy tamin’ny famonoana ireo polisy telo lahy tany Ambodihazinina.

Sajo sy Yves S.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique