Flash
Préc Suiv

Paositra Malagasy: hitory ny DG teo aloha

Paositra Malagasy: hitory ny DG teo aloha

Nanaiky nanao ny famindram-pahefana, raisiny ho toy ny natao amboletra, ny 5 desambra teo, ny tale jeneraly teo aloha ao amin’ny Paositra Malagasy, Rakotomalala Nirina Augustin, saingy ao anatin’ny fanajana tanteraka ny didy aman-dalàna manan-kery. Nomarihiny anefa fa tsy manaraka ny lalàna ny fanendrena ny tale jeneraly vaovao, ka nahatonga azy hitory any anivon’ny Filankevim-panjakana, fahefana mahefa amin’izany.

Manampy izany, miantso fahatoniana ho an’ny mpiasan’ny Paositra Malagasy izy, mba tsy ho voasarika amin’ny mety ho fanakorontanana sy fampizarazarana ny samy mpiasa.

Aminy, “ho fantatra ao anatin’ny andro vitsy ny didy havoakan’ny fitsarana, mifanaraka amin’ity raharaha ity, koa tsy hitany ny hanaovana amboletra ny famindram-pitantanana”.

Notsipihiny manokana, fa mpiasa manana traikefa amin’ny lafiny paositra hatramin’izay ny tenany, tsy mbola voasazy mihitsy, koa tsy hitany ny antony nilazana fa nanao hadisoana amin’ny asany izy. Raisiny ho toy ny filazana zavatra tsy marina sy tsy voaporofo ny filazan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana(PCA)-n’ny Paositra Malagasy.

Randria

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique