Flash
Préc Suiv

Manja: tratra tao anaty taksiborosy ny lehiben’ireo dahalo

Manja: tratra tao anaty taksiborosy ny lehiben’ireo dahalo

Noraisim-potsiny tao anaty taksiborosy hihazo an’i Morondava ny lehiben’ny dahalo niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy tompon’antoka tamina fanafihan-dahalo mitam-piadiana tao Manja, ny 3 desambra 2018 lasa teo. Raha ny tatitra avy amin’ny polisy, nanomboka tamin’io fotoana io, nahazo loharanom-baovao ireo polisy miasa ao Manja fa misy dahalo miisa 20 mirongo fitaovam-piadiana mihaodihaody ao Manja mikasa hanao fanafihana sy halatra omby amin’ny faritra tapany andrefan’ny Distrikan’i Manja. Nanapa-kevitra ny polisy tao an-toerana fa hanatanteraka savahao na antoandro na alina. Nahitam-bokany izany satria, ny alarobia 5 desambra 2018 tamin’ny 11 ora antoandro dia nisy olona nilaza tamin’ny polisy fa misy olona mampiahiahy miondrana ao amin’ny taksiborosy ho any Morondava. Napetraka ny sakana ka nanao fisavana, toy ny fanaon’izy ireo andavanandro, ny polisy. Nosavaina ilay taksiborosy ka tratra tokoa ity lehilahy ity miaraka amin’ny basy poleta vita gasy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa izy no lehiben’ireo dahalo mpanafika amin’iny faritra andrefan’ny distrikan’i Manja iny. Handeha hitsena ny omby hangalarin’ireo dahalo any Analaiva Morondava no tena anton-diany kanjo izao tratra izao.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique