Flash
Préc Suiv

Lalao Kapisilinakà: niisa 230.000 ny nahazo loka

Lalao Kapisilinakà: niisa 230.000 ny nahazo loka

Nosarihina tamin’ity herinandro ity, ny loka farany, karakarain’ny orinasa Star sy ny Telma, ao anatin’ilay lalao « Kapisilinakà », mikiky ny sarona tavoahangin’ny zava-pisotro fresh. Niavaka tokoa ity lalao ity, satria nahazo loka avokoa izay nandray anjara rehetra, ary nahatratra 230.000 ny isan’izy ireo. Anisan’ny loka goavana, ny fiara Renault Kwid roa, moto scooter,  Peugeot Kisbee telo, televiziona ecran plat 32’’ miisa 10, ordinatera entin-tanana miisa telo, finday smartphone Telma miisa dimy, miampy fampiasana internet maimaimpoana mandritra ny enim-bolana, sns.  Mitentina maherin’ny 800 tapitrisa Ar ireo loka rehetra ireo.

Nanomboka ny fiandohan’ny volana oktobra teo ny lalao ary naharitra roa volana. Afa-po avokoa ny nandray anjara tsy ankanavaka ary nidera sy nankasitraka ny mpikarakara amin’ny fitsinjovana ny mpanjifa.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique