Flash
Préc Suiv

Hiara-dia amin-dRajoelina Ratsiraka mirahalahy

Hiara-dia amin-dRajoelina Ratsiraka mirahalahy

Samy hanohana tsy misy fepetra ny kandidà Rajoelina ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Ratsiraka Elysé sy ny minisitra teo aloha, Ratsiraka Roland. Nitovy ny fanambarana nataon’izy mirahalahy ireo, na samy tamin’ny toerana samihafa aza ny nanaovana izany teto Toamasina. Nanambara tamin’ny alalan’ny mpanao gazety, notronin’ ireo mpikambana eo anivon’ny MTS izany ny kandidà Ratsiraka Roland, amin’izao fanohanany ny kandidà laharana faha-13 izao.  Niara-dia amin’ireo mpiasan’ny kaominina iray manotolo

sy ny mpiara-miasa aminy koa ny ben’ny Tanàna, Ratsiraka Elysé, tamin’ny fanambarana nataony. Itovian’izy ireo ny fanohanana ny vina IEM afahana mampandroso ny firenena. Nanentana ny mpifidy izy mirahalahy ireto hifidy ny kandidà Rajoelina amin’ny 19 desambra ho avy izao.

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique