Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HAODY: resaka mandany fotoana

Tena izy mihitsy io fa tsy sanatria fanimbazimbana na fanamaivanana ny hevitry ny hafa. Mila fotoana maharitra vao tafapetraka eny amin’ny fiarahamonina ny fikarohana iray. Mitranga indrindra izany eo amin’ireo sehatra tsy misy na tsy fantatra mazava ny tompon’andraikitra tokony hanapa-kevitra. Iray amin’ireny, ohatra, ny soratra sy ny fitsipi-panoratana…

Lalana tokony (na tsy maintsy) lalovana ny sedra. Fotoana maharitra ihany koa no lany eo. Anjato, anarivon-taona vao hita ny maha zava-dehibe ny voka-pikarohana iray. Mety mbola hanam-piovana eny antenantenan-dalana izy ireo mandrapahatonga eo amin’ny fahamarinan-toerana.

… Dia ahoana izany ny fampiasana ny litera « u, w,… » ao anatin’ny alfabeta malagasy ? Resaka mandany fotoana iny… Ho hitan’ny zafindohalika eo raha mahasoa azy ireo na tsia ny fampiasana izany !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.