Flash
Préc Suiv

Hanohana an-dRajoelina ny mpanao rugby

Hanohana an-dRajoelina ny mpanao rugby

Tapa-kevitra sy resy lahatra tanteraka. “Efa tonga tany amin’ny tendron’i Afrika ny taranja rugby fony fitondrana Tetezeamita, tamin’ny alalan’ny ekipam-pirenena Makis. Nandray karama isam-bolana izy ireo tamin’izany. Anisan’ny tsangambato sy fotodrafitrasa vita tamin’izany koa ny kianja Makis, Andohatapenaka ka antony hanohananay sy hifidiananay ny kandidà Rajoelina izany”, hoy ny filohan’ny Tanora miandrandra ny ho avy (TMH), Rafidimanana Desiré tetsy Andavamamba, omaly. Ahitana ekipa anjatony ireo ekipa hiara-dia amin’ny TMH hanohana ny kandidà laharana faha-13. Fa eo koa ireo mpankafy sy ireo eny “Ambalambahoaka”, resy lahatra amin’ny IEM, vina manome vahana ny tanora sy ny fanatanjahantena.  Nambaran’izy ireo fa tsy mba nojeren’ireo mpitondra nifandimby ny tontolon’ny “Lavalava” . “Ny an’ny mpitondra  farany teo aza, namidiny ny kianjan’ny rugby teny Anosizato”, hoy ihany izy

Randria

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique