Flash
Préc Suiv

Fifandonana tao Amboasary Atsimo: zandary telo lahy maty voatifitry ny dahalo

Fifandonana tao Amboasary Atsimo: zandary telo lahy maty voatifitry ny dahalo

Zandary telo lahy (manamboninahitra ny iray) indray no lavo am-perinasa, maty voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifandonana henjana, tany Amboasary Atsimo, omaly maraina.

Nandritra ny fanarahan-dia sy fanakanan-dalana tamina halatra omby tao Antanamoirafy, kaominina ambanivohitr’i Maromby, distrikan’Amboasary Atsimo, omaly maraina no nahalavo ireto zandary telo mirahalahy ireto. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nisy ny hetsika manokana izay efa nataon’ny zandary tao amin’io distrika io ho fanohizana ny hetsika izay efa nisy nandritra ny “Opération Mandio” ka ny 20 novambra 2018 no nanomboka izany. Andiana zandary miisa 20 lahy niahy io toerana io ka namaly avy hatrany ny antson’ny mponina any an-toerana noho ny fisiana andian-dahalo maro mangalatra omby. Tonga tany an-toerana ny zandary ka nisy tamin’izy ireo ny nanara-dia, nisy koa nanao fiambenana ny kizo handalovan’ireo malaso. Nisy noho izany, ny fifandonana tamin’ireo dahalo, lavo tamin’izany ireto zandary telo mirahalahy ireto. Efa nisy ireo zandary nalefa any an-toerana, omaly hariva hanampy ireo mbola any am-pamitana iraka sy hikaroka ny toerana misy ny razana ary haka izany.

Mitohy ny fifanenjana amin’ireo dahalo…

Raha ny fampitam-baovao farany, hatramin’ny omaly hariva, mbola mifampitady amin’ireo dahalo any anaty ala ny zandary sady mikaroka ny fatin’ireo zandary telo lahy namoy ny ainy ireto. Nitombo indray, araka izany, ireo zandary namoy ny ainy noho ny fitiavan-tanindrazana ary miaro ny vahoaka sy ny fananany. Tokony hojeren’ny fanjakana akaiky mihitsy, indrindra izay mpitondra ho avy eo ity resaka tsy fandriampahalemana ity. Tsy ampy rahateo koa ny fitaovana eo am-pelatanana, hany ka sahy mihantsy ny mpitandro filaminana hatrany ny dahalo. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha asan-dahalo namoizana aina zandary ity.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique