Flash
Préc Suiv

Basikety – CCCOI: fandresena faharoa ho an’ny CosPN

Basikety – CCCOI: fandresena faharoa ho an’ny CosPN

Niditra tamin’ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondakan’ny ranomasimbe Indiana, taranja basikety, ny ekipa malagasy, omaly. Vokatra tsara hatrany no azo ary maivana ho an’ny Malagasy ny ekipan’ny Flippers avy any Maorisy. Isa mavesatra 94 no ho 40 no nandavoan’ny CosPN ity ekipa maorisianina ity. Tsy afa-bela ireto farany hatrany am-piandohana ka hatramin’ny fiafaran’ny lalao.

Raha tsiahivina, tsara ny vokatra ho an’ny CosPN tamin’ny andro voalohany, ny alarobia lasa teo, nanoloana ny ekipan’ny Beau Vallon Seychelles.

Mbola mafy anefa ny miandry ny ekipa malagasy, ho amin’ny anio, satria ekipa anisan’ny kalaza sy ambony traikefa no hodinganiny, dia ny Premium Cobras, avy any Seychelles. Lalao tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana. Nilaza ny hanome sy hampitombo hatrany ny tsara efa vita ireo mpilalao ao amin’ny CosPN ary vonona ny handrombaka ny amboara amin’ity taona ity.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique