Flash
Préc Suiv

Seho an-tsehatra any ivelany: mpanakanto maro hanafana ny faran’ny taona any Frantsa

Seho an-tsehatra any ivelany: mpanakanto maro hanafana ny faran’ny taona any Frantsa

Toy ny isan-taona. Nanafatra mpanakanto maro ireo mpikarakara lanonana any Frantsa amin’izao fetin’ny faran’ny taona sy hiarahabana ny taona vaovao izao. Ao ireo hiray sehatra fa eo koa ireo samy hanao fampisehoana amin’ny toerana samihafa.

Hiara-dalana any Reinnes, ohatra, ireo mivoy ny mozika mafana ahitana an’i Vaiavy Chila, i Nina’s ary i Flahs B. Mbola ho hita ao Paris koa i Vaiavy Chila, saingy hiaraka amin’i Boy Black kosa izy. Hanafana ny faran’ny taona any Toulouse kosa Rakroots sy i Tence Mena. Eo koa ny seho an-tsehatra hataon’ny tarika AmbondronA any an-toerana ihany.

Ankoatra izany, ao Paris ny alim-pandihizana hafanain’i Wawa sy i Big MJ.

Hijanona eto an-tanàna

Mbola ao an-dRenivohitr’i Frantsa koa ny “Masiaka 2018”, iarahan’i Dalvis sy i Nina’s, ankoatra ny seho hataon’i Tosy. Hampiara-peo hitondra ny talentany any an-toerana koa ry Luc sy Mahery ary Gothlieb miaraka amin’i Lilie sy i Inah.

Tsy ho diso anjara ny seho fiderana, hiarahana amin’ny mpanakanto efa monina any ivelany, tahaka an’i Rija Rasolondraibe.

Ho an’ny eto an-toerana kosa indray, nisafidy ny hanafana ny fetin’ny faran’ny taona, hijanona eto an-tanàna, ry Tsiliva, i Samoela, i Dah’Mama, i Jerry Marcos ary i Lianah sy i Stéphanie.

Mbola manaraka kandidà amin’ny fampielezan-kevitra

Mialoha ireo rehetra ireo, mbola any amin’ny fanafanana ny fampielezan-kevitra ny ankamaroan’ireo artista amin’izao fotoana izao. Aorian’izany vao miondrana na miomana amin’ny fiakarana an-tsehatra amin’ny fetin’ny faran’ny taona izy ireo.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique