Flash
Préc Suiv

« Raharaha Antanimena »: tsy nanaiky tsindry bokotra ny zandary

« Raharaha Antanimena »: tsy nanaiky tsindry bokotra ny zandary

Nilaza ny avy amin’ny zandarimaria, omaly nandritra ny valandresaka nataon’izy ireo teny amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava Fiadanana, fa nanao ny asany tamin’ny fomba matihanina ary araka ny tokony ho izy, tamin’ilay “Raharaha Antanimena”. « Ny amin’ny tambajotra sosialy no manitra ny resaka fa tsy nanaiky tsindry bokotra ny zandary », hoy ny kolonely Randrimanantena Pascal, nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Nandeha tokoa ny feo ny amin’ny fisian’ny sakantsakana momba ny famotorana ireo miaramila zanaka jeneraly roa lahy. Nisy ny teny midina avy amin’ny praiminisitra mba tsy hanekena izay mitady hanao « lava tanana ».  Iny ny vokatry ny fanadihadiana sy ny fanolorana ny fampanoavana ny raharaha. Miandry izay tohiny ny rehetra mba tsy ho afa-maina izay nanao ratsy.

Yves S.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique