Flash
Préc Suiv

Nidoboka eny Antanimora sy eny Tsiafahy: tratra ireo tambajotra mpangalatra fiara Sprinter

Nidoboka eny Antanimora sy eny Tsiafahy: tratra ireo tambajotra mpangalatra fiara Sprinter

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora sy eny Tsiafahy rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny alatsinainy teo ireto mpangalatra fiara ireto. Saron’ny polisin’ny BC, sakelika fahatelo (BC3), teny Andoharanofotsy ny 29 novambra 2018 lasa teo, ireo olona efatra (vehivavy ny iray) voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra fiara Sprinter 312 iray. Naharay fitarainana ny avy eo amin’ny BC3, ny 31 aogositra 2018 lasa teo, fa nisy fiara Sprinter very teny Mahamasina tokony ho tamin’ny 4 ora sy 30 mn maraina. Jiolahy roa no tonga naka izany ka nambanan’izy ireo sabatra ny mpamily raha nasain’izy ireo niankohoka tao ambany seza kosa ny resevera. Nentin’ireo mpangalatra ny fiara ka rehefa tonga teny amin’ny Complexe Ampefiloha, nasainy nidina izy roa lahy. Fantatra, taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy, fa nanao fitaterana ao amin’ny zotra F Komafila mampitohy ny Cnaps Ampefiloha sy Ambatofotsy ilay fiara very, ny 29 novambra 2018, ity. Nataon’ny polisin’ny BC3 avy hatrany ny fitsirihana ilay fiara teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny ka hita fa ity tokoa ity fiara ity. Hita taratra tao avokoa ny marika madinika nahafantaran’ny tompony ilay fiara na efa niova sy nisolo avokoa aza ny zavatra tao anatiny sy ivelany. Nanontaniana ny tompona fiara ilay mpamily ka nasaina niantso azy. Tonga nanatona ny toerana nisy ilay fiara izy ka noraisim-potsiny. Izy indray avy eo no nanoro ny vadiny izay tena tompon-kevitra tamin’ilay halatra sy ireo roa lahy namany hafa. Nandritra ny fanadihadian’ny polisy, fantatra fa efa nanana taratasina fiara Sprinter 312 izay azon’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera izy ireo vao niroso amin’ny asa ratsy. Nohamafisin’ny polisy fa ity vehivavy ity no mpikarakara ny taratasin’ny fiara angalarina. Ny vadiny kosa, mitady namana hanatanteraka ny halatra. Rehefa avy mangalatra fiara izy ireo, soloina avy hatrany ny taratasy rehetra.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique