Flash
Préc Suiv

Jica – ONN: hanomboka ny marsa 2019 ny tetikasa Pasan

Jica – ONN: hanomboka ny marsa 2019 ny tetikasa Pasan

Ho avy eto Madagasikara, ny volana marsa 2019, ny manapahaizana japoney hisantatra ny tetikasa fanatsarana ny fiahiana amin’ny sakafo sy ny fanjarian-tsakafo (Pasan) miaraka amin’ny teknisianina malagasy. Haharitra dimy taona ny fiaraha-miasa ary mamatsy vola ny fanatanterahana ny fanjakana japoney amin’ny alalan’ny Jica. Hiasana ny kaominina 20 ho an’ny faritra telo mbola ahitana tsy fanjarian-tsakafo ambony. “Ho voakasika manokana ny sehatra hafa satria marolafy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo”, hoy ny mpandrindra nasionaly ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN), Raveloharison Ambinintsoa, omaly teny Ankorondrano. Hanohana teknika ny tokantrano marefo amin’ny fiahiana amin’ny tsakafo ny minisiteran’ny Fambolena, hijery ifotony ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza kosa ny minisiteran’ny Fahasalamana.

Efa nahazo ny fankatoavan’ny fanjakana japoney ny fiaraha-miasa ka nohamafisina tamin’ny fanaovan-tsonia teny Ankorondrano izany omaly. 175 000 ny reny sy zaza latsaky ny roa taona hisitraka ny asa raha 1 800 000 ireo mpahazo tombontsoa ankolaka amin’ny fisian’ny tetikasa. Mifanampy ny tetikasa Fafy tohanan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Pasan iarahana amin’ny Jica.

Vonjy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique