Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: fanajan-tena anio antoky ny fahamendrehana rehefa filoha

Maro ny mpifidy mbola ao anatin’ny fisalasalana tanteraka manoloanan’ny fifidianana, eo ny fironana any amin’ny tsy fandehanana andatsa-bato, mazana ny tsy fahatapahan-kevitra mikasika ny safidy ho an’itsy na ho an’iroa no anton’izany. Mazava fa ny fahaizana mandresy lahatra an’ireo olona eo am-pandinihana no ahafahana hampitongilana ny lanjan’ny voka-pifidianana, na tsy afaka adinoina koa aza eo andaniny ny fanentanana ny mpifidy mpiomba ny tena mba tsy ho varimbariana ka tsy hanefa ny adidiny. Na eo ihany aza ny elanelana tamin’ny fihodinana voalohany, amin’ity fihodinana faharoa ity dia azo heverina fa hifanakaiky ny isam-bato ho azon’ny roa tonta, noho izany dia hanan-danja manokana ny safidy alatsaky ny olona tsirairay ao anatin’ny vata-pifidianana. Ho an’ny mpifaninana sarobidy ny vato isan’isany. Hafana arak’izany ny fifaninanana mandritran’ny fotoana fampielezan-kevitra.

Mahagaga ihany anefa fa hoatran’ny varimbariana amin’ny fanentanentanana ny mponina hifidy ny an’ny tena fotsiny ireo mpanohana ka manadino ny fandrosona hevitra mivaingana entina andresen-dahatra. Maredona ny mozika sy horakoraka eny amin’ny fiarahamonina, tsy misongadina anefa ho an’ireo eo ampisalasalana sy am-pandinihana ny famoaboasana ny lohan-kevitra ijoron’ny mpilatsaka, ny fanazavana ny tanjona heveriny ho tratrariny miankina amin’ny fitanisana an’ireo tetik’asa harosony ho fanefana azy ary afaka antenaina ho tratra sy tanteraka araky ny vinavina matotra manambara ny enti-manana sy ny fomba ary toe-tsaina eo am-panaovana.

Eny amin’ny fiarahamonina sy eo amin’ny sehatry ny serasera samy hafa na an-tsoratra na ao amin’ny haino amanjery dia tsy famporosihana ny fifidianana ny tena intsony fa fanakanana tsy hifidianana an’ilay iray hafa no lasa ifaninanana, izany moa dia mivarina any amin’ny fanaratsina sy fanosoram-potaka izay manahatahaka fanompana mihitsy. Soa ihany aloha fa tsy ny vatatenan’ny mpilatsaka no irefarefa amin’ny tany andeha hanambany tena amin’ny fanaovana an’izany, tsy ny mahery fo manolo-tena tsy mila irahana no tsy misy na ny mpikarama an’ady no tsy ahitana. Afaka ahiana anefa fa tsy mamokatra firy ity fanao ity. Eo am-pihaonana na eo am-pamakina lahatra fanaratsina ny olona, izay efa mankahala ihany no mitehaka, ireo mbola tsy manan-kevitra mitombona, izay na resy lahatra na izay mihevitra fa ny mpanaratsy no maloto saina kibokibon’ny rariny ka lasa miaro tena mialoha amin’ny fanendrikendrehana ny hafa. Toy ny fanaovana loka kitanitany, nanantena fanaovana pao-droa kanjo fanolorana basy itifirana ny tena.

Léo Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique