Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Naka bahana ny K25 tamin’ny alalan’ny vavaka. Natomboka tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny foiben-toeran’ny KMMR-Tim etsy Bel Air, omaly, ny fampielezan-kevitry ny kandidà Ravalomanana. Nampahafantarina tamin’izany koa ny fiarahana amin’ireo mpanakanto hiaraka amin’ilay hira faneva natao tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.  Nitohy avy hatrany amin’ny fitetezana ny boriborintany enina izany avy eo.

Miara-dia amin’ny K25 eny Ivato ilay mpilalao sarimihetsika, Rajao. Tsy ankiandriandry fa nidina ifotony avy hatrany ny tenany sy ny KMMR-Tim miaraka amin’ny ben’ny Tanàna Randrianarisoa Penjy nitety tanàna eny Ivato sy ny manodidina, omaly. Mbola hitohy hatrany izany ary hohamafisina, indrindra amin’ireo kartie naharesy ny kandidà Ravalomanana eny an-toerana.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique