Flash
Préc Suiv

Kihon-dalan’ny tantara

Kihon-dalan’ny tantara

Hisoratra eo amin’ny tantara ity desambra ity. Miditra amin’ny andro fahefatra sahady amin’ny volana mamarana ny taona isika, anio. Manjombona sy avy matetika ny orana eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Efa miditra herinandro vaovao koa anefa isika, fotoana hanombohan’ny propagandy. Andrasana amin’ny faran’ity volana ity ny voka-pifidianana, ialohavan’ny fitetezam-paritra ataon’ireo kandidà sy ny mpanohana azy indray. Ao ireo hanamasaka ireo efa nahazoana fandresena. Eo koa anefa ireo handresy lahatra any amin’ireo faritra somary ambany ny vato azony tany. Haresaka indray ny tanàna, hatrany an-dohasaha rehetra any. Ny elakela-trano, ny eny an-tsaha sy ny eny an-kianja rehetra eny. Mandeha ny fifanatonana sy ny fifandresena lahatra any ambony rehetra any. Samy nanana ny tantarany sy ny nataony avy izy ireny, saingy haninona moa raha tena fitiavan-tanindrazana sy ny firenena ary ny vahoaka fa tsy fiketrehana tombontsoa manokana eo  amin’ny andaniny na ny ankilany izany.

Etsy andaniny, tantara hafa efa zary iainana, isaky ny volana desambra, ary mitohy any amin’ny janoary koa anefa ny fiatrehana ny fety sy ny fiakaran’ny vidin’entana. Manomboka amin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izany ka hatrany amin’ny kilalao, ny fanararaotana fampiakarana saran-dalana amin’ny faritra sasany… Ny mety mbola hiakaran’ny vidin-tsolika sy ny fidinan’ny sandam-bolantsika, ny ariary. Manampy trotraka izany, ny tantara efa mahazatra eny amin’ny faritra iva, tsy eto an-dRenivohitra ihany fa any amin’ny faritra amin’ny fiakaran’ny rano sy ny renirano rehefa avy matetika, tahaka izao, ny orana. Ankoatra ireo, tantara miverimberina ho an’ny mpino kristianina koa ny fahatsiarovana ny nahaterahan’ilay Mpamonjy. Nanetry tena, teraka tao an-tranon’omby ho fanavotana sy famonjena ny zanak’olombelona ary izao tontolo izao. Koa samy hanoratra ny tantarany avy ny tsirairay manoloana ireo rehetra ireo. Na eo amin’ny lafiny politika izany na ny fiarahamonina na ny finoana na koa ny andavanandrom-piainana… Ho kihon-dalan’ny tantara izany ity indray mandeha ity.

Synèse R.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique