Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: tongava haingana ny famadihana pejy

Any am-piandohan’ny taona 2019 ny fotoana, izany hoe eo ho tsotsotra ny fomba fankalazana ny Noely sy ny famaranana ny taona. Tsy ny mponina manontolo akory no voatery hifehy tena toy izany, na vitsy noho ny maro aza misy ny manana ny ampy anaovany lanonana makotrokotroka ho fankalazana an’ ireo tonon-taona ireo. Milaza izany fa tsy ny fiandrasana ny vali-pifidianana no mitarika rahona sy aloka mandritran’ny andro fanaovam-pety, fa ny tsy fisin’ny enti-manana ahafahana mampiavaka ny andro fety amin’ny isan’andro, ny fahasahiranana andavanandro efa mila tsy amela itraka intsony.

Hoy ireo tsy ampy finoana, inona no hiova na Andry Rajoelina na Marc Ravalomanana no mandresy ? Tsotra anefa ny valin’izany : samy manana ny fijeriny izy ireo ary ny iray aminy no hitantana ny raharaha, samy hafa koa ny fizotran’ny fiarahamonina nohon’ny tsy fitovizan’ny rafitra izay ampanantenainy ho hajoro. Izany fahasamihafana izany dia ampy heverina fa fara-faharatsiny ny iray amin’ireo tolotra ireo midika ny tsy fitovizana amin’ny ankehitriny na sanatria aza tsy tena itokisana ahomby firy eo amin’ny fanovana ny fanao sy fisehon’ny zava-mahazatra.

Na maha afa-po na tsia ny fisafidianana ny iray amin’ireo roalahy tavela teo anivon’ny 36 no didy napetraky ny maro anisa araky ny vokatry ny fihodinana voalohany. Tsy resaka miverimberina sanatria, fa fifanakalozan-kevitra mba tsy hanenenana an’izay nohon’ny fandinihany araky ny rariny dia mbola feno fisalasalana. Arak’ireny tarehimarika nambaran’ny HCC ireny na eo aza ny elanelan’ny isam-bato azon’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana afaka heverina fa mifandanjalanja ny herin’ny roa tonta, sarotra na ho an’ilay voalohany na ho an’ny faharoa no hino sy hatoky fotsiny am-pitoerana ny fandreseny, ho hita eo ny ezaky ny adaniny sy ankilany handresy lahatra ny mpifidy. Manan-danja noho izany ny vato isan’isany, mbola tsy sarobidy toy ny amin’ity fihodinana ity ny safidin’ny tsirairay. Fomba fiteny sady tena izay no izy izany filazana hoe sarobidy izany : ny fanahy tsy famarotra noho izany tsy manam-bidy, nefa rehefa eo manandevo ny fahantrana miavosa ny fakapanahy isan-karazany, malemy ny tena na ny tsy fivarotra aza andramana atao varoboba. Mazava fa amin’ny fanaovana an’izany takalo izany efa olona lany fanahy ny mpividy, ny mpivarotra lasa very fanahy. Tsy tsena ny fifidianana, fa sehatra fototra fanehon’ny olom-pirenena tsirairay ny fahefany mitambatra amin’ny vahoaka amin’ny fandraisana fanapahana.

Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique