Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Namelabelatra ny fandaharanasany nanoloana ireo mpandraharaha ny kandidà Ravalomanana Marc, omaly tetsy Anosy. Nahitana teratany vahiny sy malagasy ireo mpandraharaha ireo ary samy nitondra ny hetahetany sy ny faniriany momba ny lafiny toekarena izy ireo. Namaly izany araka ny fahitany sy ny vina Map II ny kandidà Ravalomanana.

Nanatevina ny K25, avokoa ny ankamaroan’ireo kandidà teo amin’ny fihodinana voalohany, tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Anisan’ny noraisin-dRavalomanana teny Faravohitra ny kandidà isany,i Mahafaly, Imbe Jacob. Manampy izany ny fikambanana Mampiray sy i Manandafy Rakotonirina. Efa nialoha izany i Fanirisoa Ernaivo. Eo koa ireo mpanakanto sasany toa an-dry Stephanie, Black Nadia, Rajao…

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique