Flash
Préc Suiv

Kitra any Eoropa: sahiran-tsaina ny PSG fa maratra i Mbappé sy i Neymar

Kitra any Eoropa: sahiran-tsaina ny PSG fa maratra i Mbappé sy i Neymar

Ao anatin’ny fitaintainana fatratra ireo tomponandraikitry ny Paris St Germain, amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa maratra ireo mpilalao andrin’ity ekipa parizianina ity dia i Kylian Mbappé sy i Neymar. Samy voadona mantsy izy mirahalahy ireto, nandritra ny filalaovany tany amin’ny ekipam-pireneny avy, ny talata lasa teo. Araka ny fantatra, mety haharitra herinandro ny tsy fahazoan’izy mirahalahy ireo miakatra kianja.

Araka izany, mety tsy ho afaka hiatrika ny lalao mandroso hikatrohana amin’ny Liverpool, eo amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «ligue des champions», izy mirahalahy. Fihaonana, hotanterahina ao amn’ny Parc des Princes, ny alarobia 28 novambra, ho avy izao.

Raha tsiahivina, niatrika lalao firahalahiana, tamin’ny liona tsy voafolak’i Kameronina, ny talata lasa teo, i Brezila. Vao nanomboka 8 mn monja anefa ny fihaonana dia efa niala ny kianja i Neymar, taorian’ny daka lavitra nataony ka naharovitra ny tongony havanana. Marihina fa nandresy tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Brezilianina, tamin’izany. Mbappé indray voadona teo amin’ny sorony, nandritra ny fihaonan’i Frantsa, tamin’i Orogoay, izay nandresen’ny Frantsay, tamin’ny isa 1 no ho 0 ihany koa.

Manana isa 5 ary mitana ny laharana fahatelo, ny PSG ao amin’ny vondrona misy azy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique