Flash
Préc Suiv

Kitra Ambatondrazaka: tompondakan’ny D2 Ambakireny-Betsiboka

Ny fitiavam-baolina, tsy mahalavi-tany! Tompondaka diviziona faharoan’ny seksion’ny baolina kitran’Ambatondrazaka, faritra Alaotra-Mangoro, tamin’ity taom-pilalaovana 2018 ity, ny ekipan’ny Zook Massik-n’Ambakireny ao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka. Resiny teo amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 5 no ho 4, teo amin’ny famaranana, ny ekipan’ny Marianina-Ambatondrazaka II. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta tao anatin’ny 90 mn nilalaovana sy taorian’ny fanalavam-potoana 15 mn indroa miditra. Niady ny baolina ary ny Zook Massic no nampiditra ny baolina voalohany, saingy nosahalain’ny tompon-tanana izany avy eo.

Raha tsiahivina, 120 km avy eo Ambatondrazaka ny misy an’Ambakireny, any atsimo-andrefan’Amparafaravola. “Manao latsakemboka izahay “staff”, na mivarotra tee-shirt na mikarakara alim-pandihizana ho fidiram-bolan’ny ekipa”, hoy ny Dr Mamy Harijaona, filohan’ny ekipa. Lavitra ary mihodina be sy ratsy lalana avy eo Ambakireny mankany Tsaratanàna, foiben’ny distrika misy ny Zook Massic ka aleony milalao aty Ambatondrazaka, lalana vita tara.

             .                                                                                                                                                       Rarivo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique