Flash
Préc Suiv

Bisikileta-« Tour de Mada 2018 »: tsy misy mpamatsy vola ka voatery nofoanana

Bisikileta-« Tour de Mada 2018 »: tsy misy mpamatsy vola ka voatery nofoanana

Herinandro izay ny nivoahan’ny fandaharam-potoana, amin’ny andiany faha-15, fifaninanana mihodidina an’i Madagasikarana na ny “Tour de Mada”, taranja hazakazaka am-bisikileta. Araka ny fantatra anefa, voatery nofoanana ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Matahotra avokoa ireo mpamatsy vola noho ny fotoana hanatanterahana ity hazakazaka ity, mifanindran-dalana amin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana ho filoham-pirenena malagasy, raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpikarakara. “Manahy mantsy izy ireo sao mety hisy ny korontana”, hoy hatrany ny tomponandraikitra. Nandiso fanantenana ireo atleta malagasy ity fanapahan-kevitra ity, raha ny nambaran’izy ireo. Efa niandrandra sy nanomana mafy amin’ny fiatrehana ity fifaninanana ity mantsy izy ireo. Tsiahivina fa fifaninanana  famaranana ny taom-pilalaovana 2018, karakarain’ny federasiona, ny “Tour de Mada”. Manantena ny hanatanterahana  ny “Trophée des As”, hatao ny 7, 8, 9 desambra ho avy izao, kosa nefa ireo atleta. Mbola ho sarotra ny mahakasika ity fifaninanana ity satria noho izy ao anatin’ny fifidianana ihany koa.

Marihina fa hisokatra amin’ny fomba ofisialy, ny volana febroary, ny taom-pihazakazahana ho an’ny taona 2019.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique