Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nijanona tampoka ity fiara Ford, teny Ivato, teo amin’ny PK 1+300 ny asabotsy teo ka nifatratra taoriany ny moto nentina tovolahy mpianatra iray. Mafy ny dona nitranga ka tapaka mihitsy ny tongotr’ilay tovolahy. Nentina teny hopitaly avy hatrany izy io. Manao ny fanadihadiana ny zandary avy eny Mandrosoa Ivato.

 

Notafihin-dahalo miisa enina ny trano iray tany Ambatosoa, kaominina Tsihombe ny 16 novambra lasa teo, tamin’ny 6 ora hariva. Niantso vonjy ireo ka nisy olona roa tonga namonjy, izay nanana basy P.A iray. Naratran’ireo jiolahy anefa izy io ka latsaka ny basiny ary lasan’ny olon-dratsy. Lasa tamin’izany ny vola 50 tapitrisa Ar sy ilay basy P.A. Nanao fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana ka naratra ny olona iray, raha maty kosa ny iray tamin’ireo jiolahy. Nisy vola 800.000 Ar naparitak’ireo jiolahy mba handrebirebena ny mpanenjika. Mitohy ny fikarohana.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique