Flash
Préc Suiv

Ceni : Rajoelina 39%  – Ravalomanana 34%: ho tompon’ny teny farany ny eo anivon’ny HCC

Ceni : Rajoelina 39%  – Ravalomanana 34%: ho tompon’ny teny farany ny eo anivon’ny HCC

Hitodika eny Ambohidahy, manomboka izao, ny mason’ny mpanara-baovao taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika, ny asabotsy teo. Handidy sy hanapaka farany izany ny eo anivon’ny HCC.

Tsy nisy fiovana firy intsony ny voka-pifidianana farany vonjimaika. Nahazo salanisa 39, 19% ny kandidà Rajoelina raha 35, 29% kosa ny kandidà Ravalomanana. Maherin’ny 8% kosa ny an’ny kandidà Rajaonarimampianina. Niakatra hatrany amin’ny telo hetsy mahery kosa ny vato maty sy ny tsy manan-kery. Izany hoe 7% mahery. 54% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy.

Hiatrika ny fihodinana faharoa Rajoelina sy Ravalomanana

Hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana izany ny kandidà Rajoelina sy Ravalomanana raha miainga amin’io voka-pifidianana vonjimaika io.

Na izany aza, nahitana tsy fahatomombanana ny birao fandatsaham-bato sasany. Teo ny tsy fisian’ny PV sy ny taratasin-datsa-bato avy any amin’ny birao fandatsaham-bato (BV) sasany. Fahataran’ny voka-pifidianana na koa fahadisoana amin’ny kajin’ny isam-bato. Niseho izany tany Betioky Atsimo, Morafenobe, Beloha Androy, Maroantsetra ary teto an-drenivohitra.

Manafoana ampahany na manontolo ny voka-pifidianana ny HCC

Mazava ny nambaran’ny eny Alarobia. “ Tsy afaka manitsy na manova ny voka-pifidianana izahay fa manao tatitra an-tsoratra (PV) ny fahadisoana. Tsy nandray baiko na tsindry avy amin’iza izahay fa voka-pifidianana mahaleo tena io… Noraisina ny fanakianana ho fanatsarana ny fifidianana”, hoy ny lahatenin’ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery teo am-panombohana ny fitaterana izany voka-pifidianana izany.

Etsy andaniny, manana 10 andro ny eo anivon’ny HCC hamadibadihana sy hitsarana ny voka-pifidianana ary koa handinihany ny fitoriana na fitarainana. Mazava ny fahefana omen’ny lalàna ny eny Ambohidahy  fa afaka manafoana ampahany na manontolo ny voka-pifidianana amin’ny BV sasany izy ireo na manitsy izany.

Fanintsanana na fanilihana kandidà

Eo koa ny famaliana ny fitoriana mitaky ny fanintsanana na fanilihana kandidà niatrika ny fifidianana. Mamoaka ny voka-pifidianana ofisialy avy eo ny eny Ambohidahy, aorian’io 10 andro io.Izany hoe tokony ho 29 novambra izao izany.

Araka ireo rehetra ireo, any amin’ny HCC izany ny baolina, manomboka izao. Vita ny adidin’ny Ceni tamin’ny fikarakarana sy fikirakirana ny fihodinana voalohany  amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Miandry ny fihodinana faharoa indray izy ireo.

Synèse R. 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique