Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianana vonjimaika: mitarika 44% Rajoelina raha 41% Ravalomanana

Voka-pifidianana vonjimaika: mitarika 44% Rajoelina raha 41% Ravalomanana

Mbola mitarika hatrany ny kandidà Rajoelina amin’ny voka-pifidianana vonjimaika, voaray, omaly tamin’ny 7 ora teny anivon’ny Ceni. Nahazo 44,21% ny mpanorina ny IEM raha 41,28% kosa ny vato azon’ny kandidà Ravalomanana.  Birao fandatsaham-bato (BV) miisa 673 amin’ny 24 852 ny nahazoana ireo vokatra ireo. Izany hoe, mbola 1,51% amin’ny BV izany ireo.

Any amin’ny laharana fahatelo ny kandidà Rajaonarimampianina. Nahazo vato 2 892, izany hoe, 3,36% ny tenany. Tafiditra laharana fahefatra ny kandidà, ny pasitera Mailhol. 1 513 ny vato azony. Manodidina ny 1,5% izany. Hatreto aloha, raha miainga amin’ireo voka-pifidianana ireo, 49% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy.

Miakatra tsikelikely i Dama sy Rabary Paul

Samy nahazo 0, % avokoa ny maro amin’ireo kandidà nitsipaka sy tsy nankasitraka izao fifidianana izao. Tafiditra ao anatin’izany ireo vondron’ny kandidà 25. Anisan’izany i Tabera Randriamanantsoa, i Bezaza Eliana, i Imbeh Serge, i Ernaivo Fanirisoa, Ramaroson Arlette… Nilatsaka be koa ny vato azon’ny kandidà Ratsiraka Roland raha mitaha ny tamin’ny taona 2013. Zara fa nahazo 439, izany hoe, 0,51% izy tamin’ity. Ny kandidà, ny amiraly Ratsiraka koa, nahazo vato 389. Ireo Praiminisitra telo nifanesy, i Beriziky, Ravelonarivo ary i Mahafaly Solonandrasana, samy nahazo 0,% avokoa.

Nisongadina na ambany aza ny vato azon’ny kandidà Rabary Paul, 918, sy i Dama, nahazo 369 raha mitaha amin’ireo mpanao politika sasany ireo.

Nampitandrina ny HCC

Ankoatra izany, mbola nohamafisin’ny HCC ary nampitandremany, araka ny fanambarana nivoaka, omaly, ny amin’ny tsy fahazoan’ny kandidà na ny mpomba azy mamoaka ny voka-pifidianana, ankoatra ny rafitra mpikarakara izany, toy ny Ceni sy ny HCC ihany.

Randria

 

Kandidà Rajoelina                 38 013               44, 21%
Kandidà Ravalomanana                 35 498               41, 28%
Kandidà Rajaonarimampianina                   2 892                  3, 36%
Kandidà pasitera Mailhol                   1 513                  1,76%

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique