Flash
Préc Suiv

Haintrano teny Anosibe: nanome fanampiana ny BNGRC

Haintrano teny Anosibe: nanome fanampiana ny BNGRC

Betsaka ny fianakaviana tsy nahavimbina na inona na inona tao anatin’ny haintrano nitranga ny alarobia alina tokony ho tamin’ny 11 ora teo amin’ny fokontanin’Anosibe. Taorian’ny fanadihadiana, efatra ny maty ary telo ny naratra, nalefan’ny BNGRC avy hatrany teny amin’ny hopitaly. 190 ny tranohazo may ary 10 ny trano vita amin’ny biriky. “Afon-dabozia tsy voavono no niparitaka tamin’ny fanaka tao an-trano ka nitarika ny afo niainga avy amin’ny tokantrano iray”, hoy ny fanazavana azo. Mpivarotra ny ankamaroan’ny traboina eny an-toerana ary namoy ny fihariana rehetra fa navotana haingana ny aina. Nanolotra fanampiana ho an’ny vahoaka niharan’ny fahavoazana ny minisiteran’ny Atitany sy ny BNGRC, omaly. Nisy komity efa nantsangana hizara ny fitaovana rehetra azo. Vary 5 t, lamba firakotra 100, kojakojan-dakozia 500, savony 20 baoritra, siny 100, vilany 100 ny nozaraina ho azy ireo. Nisy lelavola 1 tapitrisa Ar koa nomena ireo namoy havana tao anatin’ny haintrano.

Nanamarika ny tomponandraikitra fa tokony hitandrina amin’ny fampiasana labozia satria izay no nitarika ny afo namoizana aina sy fananana. Nanome trano lay roa vonjimaika ny BNGRC hitobian’ny traboina amin’izao fotoana izao.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique