Flash
Préc Suiv

Basikety – “Africa 3×3”: hifanandrina voalohany amin’i Madagasikara i Burkina Faso

Basikety – “Africa 3×3”: hifanandrina voalohany amin’i Madagasikara i Burkina Faso

Hanomboka anio ny fifaninanana Africa 3X3, tontosaina any Lomé, Togo. Ekipa miisa 12: i Côte d’Ivoire, i Congo, i Madagasikara, i Burkina Faso, i Mauritanie, i Togo, i Ouganda, i Cap Vert, i Egypte, i Bénin, i Mali ary i Nigéria. Ireo ny handray anjara amin’nity fifaninanana taranja basikety ity. Ekipa efa samy manana ny traikefany avokoa ireo. Raha ho an’i Madagasikara manokana nefa, tsy hanano sarotra ny hifanandrina amin’ireo miray mivondrona aminy noho izy ireo mitovitovy haavo teknika amin’ny ekipa malagasy. Na izany aza, ady mafy ny hiandry ny Malagasy, anio any Togo. Lalao roa avy hatrany mantsy no hiakaran’i Madagasikara kianja anio. Voalohany ny lalao manoloana an’i Burkina Faso, hotontosaina amin’ny 4 ora sy 20 minitra. Faharoa kosa ny hatao amin’ny 8 ora latsaka fahefany alina, hihaonana amin’i Togo.

Raha tsahivina, teo amin’ny laharana fahatelo no nisy ny ekipa malagasy, sokajy lehilahy, tamin’ny andiany voalohany ny “Fiadiana ny amboaran’ny firenena afrikanina”, taranja basikety. Lalao natao tany Togo ihany. Tsara ihany koa ny manamarika fa efa noresen’i Madagasikara tamin’ny isa 21 no ho 17 ny Togo, nandritra ny lalao ampahefa-dalana, tamin’ny taon-dasa. Izany no ilazana fa mety ho mora ho an’ny Malagasy ny handresy ireo ekipa roa miray mivondrona aminy ireo. Manantena ny hahita vokatra tsaratsara kokoa mihoatra ny tamin’ny 2017 rahateo ny ekipa malagasy, raha ny fanomezan-toky nataon’izy ireo talohan’ny nandehanana any Togo, hiatrika ity lalao ity.

Teo amin’ny laharana faharoa ny ekipan’ny Côte d’Ivoire raha toa ka lasan-dry zareo Nizerianina ny amboara 2017, teo amin’ity sokajy lehilahy ity.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique