Flash
Préc Suiv

Ambodivona: mirongatra ny fanendahana anaty fiara  

Ambodivona: mirongatra ny fanendahana anaty fiara   

 

Mampitaraina ny maro, indrindra ireo mpandeha fiara, ny fisiana tontakely manao andiany manendaka anaty fiara eny Ambodivona amin’ny lalana mivoaka eny Ankorondrano sy miakatra eny Manjakaray…

Rehefa fitohanan’ny fifamoivoizana no tena anaovan’ireto tontakely ireto ny asa ratsiny. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo olona lasibatr’ireto jiolahy ireto, mody mandehaleha amin’ny sisin’ny fiara izy ireo sady mijery ny entan’ireo olona ao anatiny. Raha sendra hitan’izy ireo fa tsy mihidy ny fiara, sokafan-dry zalahy mihitsy ka alain’izy ireo avy hatrany ny poketra sy ny telefaonina finday eny am-pelatanan’ireo olona ao anaty fiara. Lasa mitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa avy manendaka ka mizarazara ny lalan’izy ireo aorian’izay. Eo Ambodivona amin’iny lalana mihazo an’Ankorondrano iny no tena anaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Eo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy hatreny Manjakaray koa ny tena ahitana azy ireo. Ankoatra izany, lasibatr’izy ireo ireo fiara mijanona amoron-dalana. Sokafan’izy ireo an-keriny mihitsy ny varavarana rehefa hitan’izy ireo fa misy zavatra lafo vidy ao anaty fiara. Marobe ireo olona mahafantatra ireto jiolahy ireo, saingy tsy afa-manoatra noho ny tahotra ka mijery fotsiny ny zavatra ataon’izy ireo. Manaitra ny tompon’andraikitra, araka izany, mba hijery akaiky ity resaka tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra Ambodivona iny. Manginy fotsiny ireo mody hariva mandeha amin’iny lalana iny.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique