Flash
Préc Suiv

Rivodoza voalohany: tsy hahakasika an’i Madagasikara i Alcide

Rivodoza voalohany: tsy hahakasika an’i Madagasikara i Alcide

Efa ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika, amin’izao fotoana izao. Miala any ny rivodoza voalohany saingy tsy hahakasika ny morontsiraka eto amintsika izy.

Nahazo anarana Alcide, ny talata alina lasa teo, ilay rivodoza niforona ao avaratra atsinanan’i Madagasikara. Sokajina ho “forte tempête tropicale” izy amin’izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Tombanana hitombo hery hatrany izy ka mety ho lasa rivodoza mahery vaika. Na izany aza, tsy hakasika an’i Madagasikara izy, araka ny vinavina ary tsy misy ny filazana loza mikasika azy.

Tamin’ny 3 ora tolakandro omaly, tany amin’ny 825 km avaratra atsinanan’Antalaha no misy ny foibeny ary 120 km isan’ora ny rivotra entiny arahina tafiotra 168 km isan’ora. Mikisaka mianatsimo somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 12 km/ora. Ny onjan-dranomasina amin’ny morontsiraka ilany atsinanana no mahery ka mila mitandrina ny mpampiasa ranomasina. Hatramin’ny anio, ho maina ny andro fa hisy oram-baratra ny tapany hariva amin’ny faritra maromaro fa tsy ho betsaka izany. Ny faran’ny herinandro vao hisy fiantraikany ny rivotra sy rotsak’orana entin’ny rivodoza Alcide.

Vonjy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique