Flash
Préc Suiv

Kitra – Fifidianana FMF: mety hatsangana ny « Comité de normalisation »

Mitohy hatrany ny tebitebin’ireo mpankafy baolina kitra malagasy, amin’ny mety hilatsahan’ny sazy avy amin’ny Fifa, amin’izao tsy mbola fahavitan’ny fifidianana ny mpitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra izao. Sazy mety hisy fiantraikany amin’ny hoavin’ny ekipam-pirenena malagasy ka hiafara amin’ny tsy hiakaran’ny Barea any amin’ny « Can 2019 ».

Toy ny olana miseho any amin’ny firenena hafa eto Afrika amin’ny taranja baolina kitra toy izao, ny fananganana ny “Comité de normalsation” matetika no tsy maintsy hirosoana. Vahaolana efa naroson’ireo solontena avy amin’ny Caf sy ny mpanara-maso avy amin’ny Fifa rahateo ny fametrahana ity sampan iray ity. Hita tao anatin’ny fangatahana nataon’ireo ligy miisa 14, mitonona ho mankasitraka ny fifidianana, ihany koa ny tokony hisian’ity komity ity. Araka izany, ny “Comité de normalisation” no hanomana sy hikarakara ny fifidianana ho mpitantana ny federasiona malagasy ny baolina kitra. Ho tombotsoa ambony ny baolina kitra malagasy, indrindra ho fankaherezana ny ezaka nataon’ny Barea, ny handrosoana izao vahaolana izao, raha ny nambaran’ny fivondronan’ny mpankatoa ny fifidianana sy ireo mpitia baolina kitra manerana ny Nosy. Efa antomotra rahateo ilay lalao manaraka hifanandrinan’ny ekipa malagasy amin’ny ekipan’i Soudan. Lalao hotanterahina amin’ny herinandro ho avy izao kanefa tsy mbola nisy ny fanambarana amin’ny hahafahan’ny Barea miatrika izany.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique