Flash
Préc Suiv

Kandidà Rajoelina: « Matoky ny fahendren’ny vahoaka malagasy aho… »

Kandidà Rajoelina: « Matoky ny fahendren’ny vahoaka malagasy aho… »

Tao anaty fitoniana tanteraka. Nanefa ny adidiny tamin’ny fandatsaham-bato, tetsy amin’ny lycée Agricole Ambatobe, ny kandidà Rajoelina mivady, omaly tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina. Taorian’ny fahavitan’ny anjarany, nitodika amin’ny rehetra ny mpanorina ny IEM ary nampita hafatra manoloana izao fifidianana filoham-pirenena natrehin’ny firenena izao. « Matoky ny fahendren’ny vahoaka malagasy isika… Andro lehibe manan-tantara eto amin’ny firenena ny anio (omaly). Manao ny adidiny amin’ny alalan’ny fifidianana ny olom-pirenena », hoy izy. Niantso ny rehetra hanefa ny adidiny ny tenany ary mba hizotra am-pilaminana sy anaty fitoniana izany fifidianana izany.

Randria

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique