Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: arahaba… ! Samy nahavita ê !

Tsy fomba fankaherezana aoriana didi-poitra akory ka ifanakalozana hafaliana raha vita soa ny ratrakely izay tsy hitarika fery fa vao miha hampitombo hery ny zaza. Samy nahavita adidy araky ny maha olom-pirenena ka manantena fa ho tody soamantsara hatrany amin’ny fiarahana manaiky an’izay valiny. Na mitampin-tsofina aza anefa dia naheno ihany ny fimenomenon’ny olona maro izay samy manakiana avokoa ny vokatry ny fanaovana ny lisitry ny mpifidy. Na teny am-pilaharana teo ambaravaran’

ny birao fandatsaham-bato aza ny mpifidy dia mbola izay ihany ny anton-dresaky ny maro. Samy mitantara ny fiantraikan’ny fitongilanan’ny lisitra niseho any an-tokantranony. Ato dia ny renim-pianakaviana irery no avotra voasoratra ao anaty lisitra. Atsy ny mpianadahy feno taona ihany fa ireo raiamandreniny samy voailika… Raha ny feo mandeha no henoina, sarotra no tsy hanome tsiny an’ireo tompon’andraikitra na tsy ampy fahaizana na nirona any amin’ny fanaovanaovam-poana, noho ny antony inona? Mipetraka ny fanontaniana ka an’ny tsirairay no mandinika.

Vita anefa ny fifidianana. Ao ny fitsarana voatondro handray ny fitarainana, handinika an’izay tonga any aminy, ary handray didy fanapahana ho valiny. Rehefa tapitra nahazo valiny daholo ireo fitarainana, mikatona ny varavarana. Tapitra eo ny fanehoana soketa. Misokatra ny fotoana aneken’ny rehetra ny vokatra nambara ho safidin’ny maro, izay no homena hasina ho safidin’ny vahoaka. Izany ny demôkrasia. Mety ho sarotra ny hanekena izany. Tsy maintsy mionona amin’izay anefa. Ivelan’izay moa dia mazava hoazy ny tsy fisian’ny fanjakana iombonana izany hoe fitresatresaky ny fiarahamonina na eny anatin’

ny vohitra isanisany na eny anivon’ny faritra, tsy misy intsony izany hoe firenena iraisana izany. Izay moa no nitarika ny mpandalina ny fahaizana pôlitika sasantsasany hilaza fa na tsy tena mahafapo aza ny demôkrasia, io no rafitra miaro indrindra amin’ny fanjakan’ny tsy rariny.

Misy anefa fitsipika mifehy ny demôkrasia izay aro tsy ahafahana mivily làlana. Raha tazana fa misy tsy fahampian’ireo fitsipika ireo na tsapa fa misy amin’izy ireo no bingo, tsy rehefa antomotra ny fifidianana na mivoaka ny valiny no anaovana resabe ka lasa mitarika korontana an’arabe. Atao anatra ohatra tamin’ity indray mandeha ity ny familavilana ny lisitry ny mpifidy ka hodinihina ny fomba tsy ahafahan’ny tompon’andraikitra hanao heloka toy izay intsony.

Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique