Flash
Préc Suiv

Fifidianana: 5 000 ny polisy indray miasa

Fifidianana: 5 000 ny polisy indray miasa

« Efa nanomboka herinandro maro talohan’izao andron’ny fifidianana izao ny fiantohan’ny polisim-pirenena ny fahandriampahaleman’ny fifidianana », hoy ny polisy. Polisy miisa 5 000 eo ho eo ny nahetsika eran’i Madagasikara, hiantoka ny filaminan’ny fizotran’ny fifidianana. Sampandraharaha 100 mahery manerana ny Nosy no nisahana izany asa izany. 300 ny polisy miara-miisalahy amin’ny mpitandro filaminana hafa ao anatin’ny Emmo. “Lamina manokana kosa ny apetraka eto Antananarivo ka ny « commissariat centraux » telo sy ireo «Unité d’intervention » ny misahana izany (Fip, Sag, Usi, UIR)”, hoy ny fanazavana.

Hisy ny fanaraha-maso manokana ny fivezivezena mivoaka sy miditra an’Antananarivo. Hihamafy ihany koa ny fisafoana manerana ny tanàna. Hiandreketan’ny sampandraharahan’ny polisy mandritra ny andron’ny fifidianana ny fiarovana ny toeram-pifidianana rehetra, ny fitaovana rehetra momba ny fifidianana, ny fitaterana ny voka-pifidianana ary ny filaminana amin’ny ankapobeny. Fanakatonana sy fanaraha-maso ireo trano filanonana, filalaovana, ary fisotroan-toaka rehetra. Tazana teny Analakely sy ny manodidina tokoa ireo Emmo/Reg, ny polisy nandehaleha nanerana ny tanàna.

Yves S.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique