Flash
Préc Suiv

Ambalamanasa – Toamasina: nirefotra ny poa-basy, lavon’ny polisin’ny Fip ry Valy sy Zeze

Ambalamanasa – Toamasina: nirefotra ny poa-basy, lavon’ny polisin’ny Fip ry Valy sy Zeze

Nirefodrefotra nandritra ny 45 mn teo ho eo ny poa-basy tao amin’ny fokontany Ambalamanasa Toamasina (voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny asan-jiolahy), ny talata 6 novambra 2018 alina. Jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireto nifanehatra tamin’ny polisin’ny Fip avy etsy Ankirihiry ireto. Araka ny fanazavan’ny polisy, nitifitra avy hatrany ireto jiolahy nihaodihaody niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ireto raha vao nahita ireo polisy nandeha fiara. Tsy nifandrenesana ny poa-basy nandritra io alina io tao Ambalamanasa, niteraka horohoro tamin’ireo mponina eo an-tanàna. Vokany, lavon’ny balan’ny Fip ny roa lahy: i Milamaro, fantatra amin’ny solon’anarana hoe i Valibe, sy Jean Yves na Zézé, raha azo sambo-belona kosa ny roa hafa. Tafaporitsaka kosa ny naman’ireto jiolahy ireto. Nohamafisin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules fa ireto jiolahy roa ireto no nandroba sy nitifitra ilay mpiasan’ny kaominina, ny 1 novambra lasa teo, nahavoaroba vola 4 tapitrisa Ar tao Tanambao Verrerie. Teo koa ilay tompona mangazay mpivarotra kojakoja fanaovan-trano niharan’ny fanafihana teo akaikin’ny Bemenaka Andranomadio, ny asabotsy 3 novambra lasa teo ihany koa. Voaroba tamin’izany ny vola 6 tapitrisa Ar. Nilaza fa tsy hikely soroka amin’izay mihevitra ny hanakorontana fifidianana izy ireo ka mampitandrina izay mety hanao izany.

Sajo sy J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique