Flash
Préc Suiv

AKON’NY FIFIDIANANA AN-TSARY

AKON’NY FIFIDIANANA AN-TSARY

Teny amin’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra kosa ny kandidà Ravalomanan no nandatsa-bato.

Ny kandidà laharana faha-13, Rajoelina Andry Nirina, namita ny adidy teny amin’ny Lycée Agricole Ambatobe.

Nanatontosa ny adidiny ihany koa ny kandidà Rajaonarimampianina Hery teny Tsimbazaza.

Ny Praiminisitra lehiben’ny governemant, i Ntsay Christian, teny amin’ny INFA nanefa ny adidiny.

Ny mpanara-maso eoropeanina nijery ifotony ny fifidianana.

Hita teny an-toerana ihany koa ny eo anivon’ny Sadc, nijery ny fizotran’ny fifidianana.

Saika nahitana mpitandro filaminana ny ankamaroan’ny biraom-pifidianana rehetra.

Vao maraina, nanao paikady ny mpitandro filaminana teny Mahamasina.

Na efa ao anatin’ny fahanterana aza, tsy nanadino ny adidiny ity ramatoabe iray ity.

Tao amin’ny EPP Ambanilalana, nizotra tamim-pilaminana ny fifidianana.

Nanomboka ny fanisam-bato, tao amin’ny CEG Ambohimiandra, tamin’ny 6 ora teo ho eo.

Nilamina, amin’ny ankapobeny, ny fifidianana tao Toliara I.

Sahirana ny sefom-pokontany, mbola maro ireo tsy naka ny kara-pifidianany, ao Toamasina.

“Tsy mahazo alalana hanao “sondage” ny Exit Poll”, hoy ny filohan’ny kaomisiom-paritra ny fifidianana Toamasina.

Nanao fanamiana nampihavaka azy ny fikambanan’ny mpaka sary an-gazety teto an-dRenivohitra.

Nanao ny asany andavanandro ihany ireo mpivarotra amoron-dalana sasany.

Nisy kosa ireo magazay nisafidy nanakatom-baravarana.

Tsy vitsy ihany koa ireo taxi-be nitatitra vahoaka.

Saika niteraka savorovoro ireto nilaza ho mpanao “sondage” teny Ivato.

Maro ireo mpanao gazety avy any ivelany nanaraka ny fizotry ny fifidianana.

Raikitra ny lanonana sy fety ho an’ireo mpanakanto sy ireo teknisianina nanaraka ny kandidà Rajoelina. Nanome toromarika ireo « namana » ny mpanorina ny IEM amin’izao voka-pifidianana izao.

Raikitra ny lanonana sy fety ho an’ireo mpanakanto sy ireo teknisianina nanaraka ny kandidà Rajoelina. Nanome toromarika ireo « namana » ny mpanorina ny IEM amin’izao voka-pifidianana izao.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique