Flash
Préc Suiv

Tandindomin-doza ny Barea: mety ho votsotra ny Can 2019

Tandindomin-doza ny Barea: mety ho votsotra ny Can 2019

Tsy tontosa hatramin’ny ora farany ny fifidianana ny ho filohan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF), nokasaina notanterahina omaly. Ahiana, ny tsy hahafahan’ny Barea hiatrika ny Can 2019. Nitraotra ireo mpitia baolina kitra ka nanao fihetsiketsehana nilanja sora-baventy tetsy Mahamasina sy Isoraka.

Mitovitovy, amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hotanterahina rahampitso alarobia, ny an’ny  federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Feno tebiteby sy ahiahy ny kandidà sy ireo mpitia ary ny mpanara-baovao. Hihemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra indray  mantsy ny fifidianana, nokasaina natao omaly alatsinainy, taorian’ny  48 ora, voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana, taorian’ny tsy nahatontosa izany ny asabotsy lasa teo, tany Sambava.

Vokatr’izay,  nirongatra  nitondra sora-baventy sy nihorakoraka nitaky ny hanaovana ny fifidianana ireo mpitia  baolina kitra. Nirodorodo teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena, nivorian’ireo filohan’ny ligim-paritra  14 dia Vatovavy Fitovinany, Vakinankaratra, Melaky, Diana, Analanjirofo, Atsimo Antsinanana, Atsimo Andrefana, Bongolava, Antsinanana, Sofia, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Anosy ary Androy, niaraka tamin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena, izy ireo. Ny sasany indray nirohotra  nankeny amin’ny foiben’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra teny Isoraka.

Nambaran’ny solotenan ‘ireo mpitia baolina kitra ireo fa tsy tokony atao sorona  ny  Barea de Madagascar, fa avelao hanao  “ Can   2019”.  Araka ny fantatra  mantsy  mety  hitarika any amin’ny “disqualification” n’ny Barea de Madagascar, tsy hahazo hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika  “Can  2019”, ity tsy  fahatanterahin’ny fifidianana ity.

Raha tsiahivina,  tsy nahatratra ny fetrisa   “quorum” ny mpifidy ka antony nanemorana ny fifidianana. Tsy nahafeno ny isa  15  ilaina amin’ny latsa-bato mantsy  ireo filohan’ny ligim-paritra.

Miandry ny valin-tenin’ny Fifa

Nisy ny fivoriana maika niantsoan’ny minisitera ireo ligim-paritra, omaly saingy  tsy afaka nanao na inona na inona ny minisitera fa niangavy ny hanatanterahina ny  fifidianana fotsiny. Manao  “ingérance” mantsy  izy raha toa miditra lalina amin’ity  fifidianana ity fa mijanona ho mpanara-maso  fotsiny ihany.

Tetsy an-kilany, nandefa taratasy any amin’ny  federasiona iraisam-pirenena  (Fifa) ireo ligim-paritra  14 mangataka fahazoan-dalana, hanatontosana ny fifidianana. Tsy afaka namaly izany mivantana ny solontenan’ny Fifa, tonga teto an-toerana fa  tsy maintsy hitondra ny hetahetan’ireo ligy ireo, any amin’ny lehibeny.

Mandra-piandry izany, mizara roa ireo ligim-paritra mpandatsa-bato. Ao ireo tsy mankasitraka ny hanaovana ny fifidianana, etsy an–kilany misy ireo mitaky ny hanaovana izany. Toy izany koa ireo kandidà izay misy ny niala an-daharana ary eo  koa ireo lasa miray dia sy mifanohana.

Manao antso avo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ary ny federasiona ihany koa ireo mpilalaon’ny Barea, hijery vaha-olana  mba tsy hisian’ny fahadisoam-panantenana ho an’ny malagasy.

 

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique