Flash
Préc Suiv

Taekwon-do ITF – “Sabum” Jonathan Morris: mizara traikefa ho an’ny mpikatroka malagasy

Taekwon-do ITF – “Sabum” Jonathan Morris: mizara traikefa ho an’ny mpikatroka malagasy

Mahazo tombony ireo mpikatroka avy eo anivon’ny ITF  (International Taekwon-do Federation Madagascar Association). Tonga eto Madagasikara  ny “Sabum” Jonathan Morris, filoha lefitry ny federasion’ny Itf frantsay, hizara ny traikefany. Ankizy, tanora, olon-dehibe, 60 mianadahy izay mpikambana ao amin’ny ITF no nahazo izany tetsy amin’ny Dojo Aska. Fifampizarana, nanomboka ny alahady 5 novambra lasa teo ary tsy hifarana raha tsy ny alakamisy 8 novambra ho avy izao. Ny teknika fototra no tena nampianarina ireo mpikatroka tonga nandray anjara. Io no nanombohana ny fampianarana, ny faran’ny herinandro teo.

Marihina fa efa fanindroany izao i Jonathan Morris no nitsidika an’i Madagasikara ary faniriany ny hifampizara traikefa matetika amin’ny Malagasy saingy ny fotoana no somary teritery. Mahafaly azy rahateo ny manampy ny Malagasy noho ny fahitany ny haavo teknika izay ambony mihoatra ny firenena hafa. “Fifaliana ho ahy izao fahatongavako eto Madagasikara izao. Hitako ho mahay ny mpikatroka malagasy ary tombony lehibe ho azy ireo izany. Hahazo vokatra tsara ny Malagasy amin’ny fifaninanana hatrehany, indrindra fa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay no hirariako”, hoy i Jonathan Morris. Hisy ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo rehetra nandray anjara tamin’ity fiofanana ity, ny alakamisy ho avy izao, raha ny fanazavana nentin’ny filohan’ny Itf,  Rakotoarisoa Tafita. Hatao amin’ny volana desambra kosa ny “passage de grade”, raha ny fanavana hatrany. Amnin’io fotoana io no hamaranana tanteraka ny taom-pilalaovana 2018, amin’ny taranja taekwon-do.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique