Flash
Préc Suiv

Famokarana angovo: nohavaozina ny Iso 9001-2008-n’ny EDM

Famokarana angovo: nohavaozina ny Iso 9001-2008-n’ny EDM

Telo taona! Nahazo ny mari-pahalalana Iso 9001-2008 ny orinasa mpamokatra herinaratra Eléctricité de Madagascar (EDM), ny taona 2015, fenitra mamantatra ny kalitaon’ny famokarany. Ahafahana manome toky ny mpanjifa fa azo antoka sady tsara kalitao ny tolotra  sy ny vokatra omeny ny mari-pahalalana toy izao.  Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena tena hentitra indrindra ihany koa. Ao anatin’izany ny fanaovana fanadihadiana lalina, ny fametrahana ny fotodrafitrasa sy ny fikojakojana ireo fitaovana mamokatra herinaratra samihafa.

Manamafy sy manavao io mari-pahalalana Iso 9001-2008 io ny EDM, ankehitriny, hanohizana ny fanatsarana ny tolotra, ny fitantanana, hampiroboroboana ny sehatra iasany. Mazava ny tanjona, hanomezana fahafaham –po hatrany ny mpanjifa sy hampandrosoana haingana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara.

Manana ny toerany sy ny lanjany ankehitriny ny EDM, niforona ny taona 2005, sampana orinasa ao anatin’ny vondrona Axian.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique