Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Ilaina ny mivatsy aro orana ho an’ireo rehetra hivoaka ny trano ny tapak’andro hariva, ho an’ny anio sy rahampitso, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany, hiverina ny orana, anio. Hahazo orana koa ny tapany atsimo satria misy andian-drahona be any amin’iny tapany atsimo iny mitondra orana. Ho mafy koa ny rivotra ka mety hanonja be ny ranomasina, mila mitandrina ny mpiandriaka. Ny tapany hariva, hiitatra any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ny orana, sy ny any amin’ny ilany atsimo atsinanana. Ny alahady, ho an’ny faritra Analamanga, handrahona ny maraina fa hirotsaka ny oram-baratra ny tapany hariva. Mety ho betsaka izany. Ho an’ny maripana, mbola ho ambony izany ka 17°C ny ambany indrindra eto Analamanga.

« Roa andro mialoha ny fidiran’ny mpandraharaha eny anivon’ny sekolim-panjakana rehetra, mbola vitsy ny ray aman-dreny manoratra anarana ny zanany ho an’ny taom-pianarana vaovao 2018-2019 », araka ny tatitra avy amin’ny talen’ny EPP sasany eto an-dRenivohitra. Vao vita ny fandraisana ny mpiadina amin’ny bakalorea farany teo, nanomboka ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra. Hatramin’ny omaly, zara raha misy mpianatra telo nisoratra anarana ho an’ny EPP iray nefa 6 000 Ar monja ny latsakemboka aloan’ny ray aman-dreny. Mbola sahirana ny ray aman-dreny ka miandry ny fotoana farany hisoratana anarana. Ny 12 novambra ny fidiran’ny mpanabe raha ny 19 novambra ny firosoana amin’ny taom-pianarana 2018-2019 ho an’ny sekolim-panjakana.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique