Flash
Préc Suiv

Mila fanamby ny hoe fanovana…

Mila fanamby ny hoe fanovana…

Inona àry no fototr’izao fihotakotahana mialoha ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao? Andro sisa no isaina. Nefa ahina ny fisavoritahana, korontana, fifanomezan-tsiny, fifampiampangana, fifanenjehana… Tsy anisan’ny fototra sy fositra amin’izany ve ny tsy fanajan-dalàna? Tsy hita tsinona izay azo tahafina amin’ny fanajana sy ny fampiharan-dalàna, samy manao izay saim-pantany.

Efa voka-javatra fa tsy anton-javatra intsony izay iainana ankehitriny. Noho ny paipaika sy kajikajy politika zary tsy fifampitokisana, fa tsy inona… Nanomboka tany amin’ny lalàm-pifidianana nampifanditra lasa an-kifonofono io. Akory (h)atao? Soa lavo, hahay mamindra; soa kenda, hahay mitsako. Tsy fandatsana, sanatria, fa fandatsahana ao an-tsain’ny tsirairay: mila mijery lavitra amin’izay atao.

Amin’izay mampifanditra ankehitriny, be ny tokony ho nazava hatrany am-boalohany ao anatin’ny lalàm-pifidianana. Saingy tsy mampiraika ny tena mandrakariva izay hanaja sy hampihatra lalàna, raha mbola tsy manohintohina ny tena sy ny tombontsoa manokana? Na hamelezana sy hamotehana ny hafa… Toa tsy lamina ho an’ny rehetra handrindra ny fiainana ny lalàna, fa atao amin’izay itiavana azy.

Ny mpitondra indrindra no voasaringotra amin’izany, miaraka amin’ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Tsy vitan’ny tsy fanajana sy fampiharan-dalàna tsinona, fa eo koa ny tsy firaharahana na tsy fihainoana ny fitarainan’ny hafa; eny, na izay mety ho torohevitra hahatsara zavatra aza. Rehefa mila ho voatohintohina ny tena sy ny tombontsoa manokana amin’izany, vao mikoropaka…

Vokany, sasatry ny miarina amin’ny hoe fanovana. Fialokalofana mandrakariva amin’izany  izay voalazan’ny lalàna. Nefa tsy nijerena lavitra amin’izay mety hitranga sy ny ho vokany… Aiza ny lalan-kaleha? Efa irosoana ny fifidianana, fa anjaran’izay voafidy eo ny tsy mitsapatsapa intsony na manao izay saim-pantany amin’izay mahamety azy manokana. Misy sahy manao fanamby ny amin’izany ve?

Rafaly Nd.

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique