Flash
Préc Suiv

Fanarenana aorian’ny voina: hiditra ao anatin’ny Africa risk capacity Madagasikara

Fanarenana aorian’ny voina: hiditra ao anatin’ny Africa risk capacity Madagasikara

Tao anatin’ny roa volana, niditra tao anatin’ny sehatra ahazoana fiarovana ara-bola manoloana ny voina i Madagasikara. « Firenena maromaro aty Afrika no mitambatra hifanohana amin’ny fandoavana latsakemboka isan-taona ao anatin’ny African risk capacity (ARC) », hoy ny sekretera mpanatanteraka ny CPGU, Razakanaivo Mamy. Ho antsika manokana, ny haintany no voina miseho matetika ho an’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nisy “logiciel” ampiasaina hamantarana mialoha ny fiavian’ny haintany amin’ny faritra marefo sy ny isan’ny olona mety iharany. Misy tondro napetraka (refin’ny rotsa-korana, faharefoan’ny tokantrano…) ka rehefa tratra izany. Tokony hisitraka ny tohana ara-bola avy any amin’ny ARC isika. Namolavola drafitrasa ny teknisianina hamelabelarana ny asa sy ny olona iantefan’ny asa rehefa miseho ny voina (haintany). Tsy mamorona asa vaovao fa ny efa natao hatramin’izay no hatsaraina ao anatin’ny drafitrasa. Efa natolotra tany Afrika Atsimo, hankatoavin’ny teknisianina ny drafitrasan’i Madagasikara. Andraikitry ny rafitra teknika eo anivon’ny primatiora misahana ny fisorohana sy fitantana ny amehana (CGPU) ny manao tohana teknika amin’ny fitantanana ny tandindonin-doza sy ny loza fa ireo mpisehatra aty ifotony efa manao ny asa hatramin’izay no manatanteraka eo ambany fitarihan’ny BNGRC, araka ny fanazavan’ny teknisianina ao amin’ny CPGU.

Ampina tosika ny asa efa natao

Rehefa tonga ny haintany, misy hatrany ny fanohanana ara-tsakafo ny tokantrano marefo, ny fanampiana ny reny sy ny zaza amin’ny fahasalamana ary ny fanatsarana ny fambolena, foto-piveloman’ny mponina. Manampy ireo ny fizarana fitaovana fanadiovan-drano isorohana ny aretina avy amin’ny rano tsy voadio. 500 000 dolara ny latsakemboka isan-taona ka 3 tapitrisa dolara ny tohana azo ampiasaina ao anatin’ny telo volana rehefa tonga ny voina. Hanampy amin’ny fanefana ny latsakemboka ny banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ety am-piandohana ka hihena isan-taona ny fandraisany anjara. Amin’ny volana novambra no hatao sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny ARC sy ny fanjakana malagasy miaraka amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola. Distrika valo ao amin’ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana no iantefan’ny fiantohana rehefa tonga ny voina.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.