Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy, nisy hetsika manokana nokarakarain’ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) sy ny federasiona malagasy ny kitra niaraka amin’ny ONG Youth first, ONG BI MI…. Miendrika fifampizarana ho an’ny tovovavy  mpilalao baolina kitra 180 nandray anjara amin’ny fifanintsanana ho an’ny latsaky ny 16 taona tany amin’ny ivontoerana malagasy ho an’ny baolina kitra, any Nandihizana. Vehivavy valo samy manana ny andraikiny sy ny maha izy azy avy no nitondra ny zavatra niainany tamin’ny asany sy ny fiainany andavanandro. « Tovovavy aho, manana tanjona, mandray andraikitra » ny lohahevitra nitondrana ny fifampizarana teny an-toerana. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny hoe tokony hanana nofy ny tsirairay ary mila milofo mafy hahatanteraka izany, na eo aza ny tsindry samihafa avy amin’ny fiarahamonina sy ny hafa.

 

Les commentaires sont fermées.