Flash
Préc Suiv

Tsy mety fay: nolavin’ny Cites hatrany ny fikasan’ny fanjakana hivarotra andramena

Tsy mety fay: nolavin’ny Cites hatrany ny fikasan’ny fanjakana hivarotra andramena

Hivarotra halatra? Nandroso drafitrasa lazaina fa vahaolana ho an’ny andramena ny fitondrana Malagasy, tany Sochi Rosia ny 1-5 oktobra teo. Na manana ny fomba filazany aza ny fanjakana, mazava ny valin-tenin’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny varotra biby sy zavamaniry ahina ho lany tamingana (Cites). Nomen’ny Cites “toromarika” (fampiasa amin’ny teny diplaomatika) ny fanjakana malagasy miaraka amin’ireo mpisehatra samihafa voakasika, “hikaroka vahaolana hafa” amin’ny fikasan’ny fanjakana hivarotra ny tahiry andramena nogiazany sy hanonitra vola ireo mpandraharaha nahatrarana andramena. Naroson’ny Cites ny hananganan’ny fanjakana tahirimbola manokana ho an’ny andramena, araka izany.

Tsy misy voasazy na iray aza

Nankatoavin’ny Cites kosa ny drafitra dingana I sy II, novolavolaina mikasika ny hanohizana ny fanaraha-maso ny tahiry andramena. Maro anefa ny ezaka mila hatao. Araka ny fantatra, vao ny 1/6 monja ny tahiry andramena, bolabola miisa 28 000, no voamarin’ny fanjakana. Azo adika fa mahamaika ny fitondrana ny hivarotra ny andramena nogiazany fa tsy hiaro ny fanapotehana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana eto Madagasikara. Tsy vao izao izany fikasan’ny fanjakana nifandimby izany fa efa hatramin’ny taona 2012, saika hamoahana didim-panjakana. Nolavin’ny Cites koa ny drafitra naroson’ny mpitondra, ankehitriny, ny taona 2017. Hatreto, tsy misy voasazy ireo mpanao trafika, na efa nitsangana aza ny fitsarana manokana andramena sy ny mpitsara ao anatiny. Dikany, tsy misy ny vokatra azo tsapain-tanana ary na ny voarohirohy aza, efa navotsotra malalaka. Fepetra anisan’ny napetraky ny Cites anefa ny fanasaziana ireo mpanao trafika.

Randria

Les commentaires sont fermées.