Flash
Préc Suiv

Nitodika amin’ny kandidà ho filoha: tokony hisy politika hampivoarana ny ankizivavy

Nitodika amin’ny kandidà ho filoha: tokony hisy politika hampivoarana ny ankizivavy

« Tokony hanana politika manokana ho an’ny fampivoarana ny ankizivavy malagasy ny filoha ho lany eo aorian’ny fifidianana », hoy ny solontenan’ny Unicef miasa eto amintsika, i Michel Saint-Lot, omaly teny amin’ny kianjan’Alarobia, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizivavy. Mbola ratsy ny tondro momba ny fanabeazana sy ny fahasalamana fananahan’ny zatovovavy eto amintsika, araka ny fanadihadiana farany. 39%-n’ny ankizivavy miditra an-tsekoly eny amin’ny ambaratonga voalohany ihany no mahavita ny kilasy hatramin’ny taona fahadimy. Miteraka mialoha ny faha-19 taony ny tovovavy iray amin’ny telo ary anisan’ny taha ambony maneran-tany ny tovovavy manambady aloha loatra eto Madagasikara. Ho an’ny fahasalamana, ao anatin’ny vehivavy 10 maty isan’andro, zatovovavy latsaky ny 18 taona avokoa ny telo amin’ireo. Matetika, noho ny fitondrana vohoka aloha loatra na fitrangana fahasarotana eo am-piterahana no mitarika ny fahafatesan’izy ireo.

Ankalazaina isan-taona ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizivavy hanaovana tombana ny ezaka vita ho fampivoarana ny zavatra iainany amin’ny lafiny rehetra. Nanamafy izany i Irintsoa, solontenan’ny Live your goals, fa fampirisihina ny zatovovavy hahaleo tena ny fandraisana anjara amin’ny fifanintsanana amin’ny lalao baolina kitra tahaka izao. Mametraka fanamby ny zatovovavy fa afaka mahita ny vahaolana amin’ny zava-mitranga ao anatin’ny fiainana andavanandro. Andiany faharoa ny fikarakarana fifanintsanana lalao baolina kitra miaraka amin’ny Unicef sy ny federasiona malagasy ny kitra izay manana vaomiera misahana ny kitra ho an’ny vehivavy manokana.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique