Flash
Préc Suiv

Karate – Wado Ryu: hizara fiofanana ny sensei Allain

Karate – Wado Ryu: hizara fiofanana ny sensei Allain

Ho fampitomboana ny teknika ananan’ny karateka malagasy,  hizara traikefa ho an’ireo mpikatroka «wado Ryu» ny sensei Rajaonarison Allain, mpampiofana manana fahaiza-manao sy grady ambony. Hotanterahina, ny 16 ka hatramin’ny faha 28 oktobra ho avy izao ao  amin’ny Akany Ambohimarina, izany. Fiofananana mitondra ny anarana hoe « Gasshuku », eo ambany fiahian’ny Madagasikara Wado Ryu Karaté-Do (Mawado) sy ny federasiona frantsay, taranja karate.

Azo lazaina ho manana ny maha izy azy tokoa ny sensei Rajaonarison Allain, ho avy hizara  ny fahaizany amin’io fotoana io satria efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro, toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Japana, izy. Karazana teknika  maro ny hoentiny hifampizarany mandritra ny hateloana, toy ny «tai sabaki», ny «renzoku waza», ny «goshini ho», ny «kata superieur» ary ny «kaisetsu». Ankoatra izay, ho tazana ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fampiakarana tepana, ho an’ireo mpikatroka tonga hanatrika ny fiofanana.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.