Flash
Préc Suiv

Groupe Mi-Antsa: hivoaka ny « Tsara tena tsara »

Groupe Mi-Antsa: hivoaka ny « Tsara tena tsara »

Tontosa soa amantsara ny rakitsary voalohany ho an’ny groupe Mi-Antsa. Rindrantsary 12 no voarakitra ao anatiny. Raha ny vina sy ny fandaharam-potoana efa nomanin’ity tarika miangaly ny hira evanjelika ity, hivoaka sy hiparitaka manerana ny Nosy ny DVD « Tsara tena tsara » any ho any amin’ny faran’ny volana novambra izao. Isan-karazany ny gadona heno ao anatin’ny rakitsary. Azo andihizana tsara amin’ny fiderana izy ireo, raha ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny groupe Mi-Antsa. Anisan’izany ny gasigasy, ny afindrafindrao somary nohavaozina, ny horija betsileo, ny rock country, ny sega, sns. Amin’ny ankapobeny, misarika izay maheno ny hira hamaky ny Baiboly kosa ny tononkira. « Midera an’Andriamanitra tsara » ny hevitry ny Mi-Antsa, raha ny fanazavana nomena hatrany.

Ireo hira ao anatin’ny rakitsary « Tsara tena tsara »

Eny ekeko – Miomana – Miantso anao – Torohevitra – Fi fa fi (Finoana, fanantenana, fitiavana) – Tsara tena tsara – Leha agnao – Fanekena vaovao – Miorena tsara – Hono ho’aho – Arovy tsara ary Raha resy lahatra.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique