Flash
Préc Suiv

Filaminam-bahoaka: nahazo kaomisarian’ny polisy ny ao Antsiranana

Filaminam-bahoaka: nahazo kaomisarian’ny polisy ny ao Antsiranana

Notanterahina, ny asabotsy 6 oktobra 2018 lasa teo, ny fitokanana ny kaomisaria vaovao ny polisim-pirenena ao amin’ny boriborintany faharoa ao Manongalazo Antsiranana. Tonga nitarika ny fitokanana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de police, i Eric Michel Wouli Soumah Idrissa, sy ireo mpiara-miasa aminy. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny minisitera amin’ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka izao fananganana kaomisaria vaovao izao. Manaraka ny fenitry ny kaomisaria rehetra manerana an’i Madagasikara ity vao notokanana any Antsiranana ity. Mitentina 180 tapitrisa Ar ny tombam-bidin’ny fanamboarana ny trano. Nambaran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka nandritra ny lahateniny fa natao hitandroana sy hitsinjovana hatrany ny filaminam-bahoaka ao amin’ny faritra izay misy azy ny fanamboarana kaomisaria vaovao tahaka izao. Nankasitraka tanteraka ny ezaka manoloana izao zava-bitan’ny polisim-pirenena izao kosa ny mponina ao Antsiranana sy ireo tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana. Efa miasa avy hatrany ity kaomisarian’ny polisy ao Manongalazo ity. Mitohy hatrany kosa ny asa ho an’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka amin’ny fanakaikezana ny vahoaka toy izao.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.