Flash
Préc Suiv

Fampielezan-kevitra: resy lahatra amin-dRajoelina ny any Andapa sy Ambanja…

Fampielezan-kevitra: resy lahatra amin-dRajoelina ny any Andapa sy Ambanja…

Resy lahatra tanteraka amin’ny kandidà laharana faha-13 avokoa ireo faritra nolalovany. Anisan’ny naneho izany ny vahoakan’Andapa sy ny any Befandriana Avaratra ary Ambanja, omaly.   “Hifanao velirano aminareo vahoaka izahay. Henoko ireo olana mianjady aminareo eto an-toerana ka matokia fa vonona aho ny hanampy anareo hatramin’ny farany”, hoy izy. Namaly izany ireo vahoaka marobe tamin’ny alalan’ny hiaka fa “1er tour dia vita”.

Efa nihetsika koa ireo mpanohana ny kandidà Rajoelina amin’ny faritra hafa. Anisan’izany ny etsy amin’ny boriborintany fahefatra. Nanatanteraka hetsika tetsy Ampefiloha Ambodirano izy ireo, omaly. Nanentana ny vahoaka hanohana sy hiara-dalana amin’ny mpanorina ny IEM. “Vonona handatsa-bato ho an’ny laharana faha-13 izahay”, hoy izy ireo. Samy hanao tahaka izany avokoa ireo boriborintany enina amin’izao faran’ny herinandro  izao.

Randria

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique