Flash
Préc Suiv

BFV-SG: manohana ny fanorenan-trano

Tsy ataon’ny banky BFV-SG ambanin-javatra ny hananan’ny mpanjifa trano sahaza azy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana azy ireo hanamorana ny fahazoana tany na trano, handraisany anjara mandritra ny “Foaran’ny trano fonenana eny Tanjombato”, ny 11-14 oktobra izao.

Ao anatin’ny tolotra Soahonenana ny karazana fampindramam-bola mifandraika amin’izany, ary hahena ny tahan’ny zanabola hatramin’ny 31 desmbra 2018 izao. Toy ny “Soahonenana Tany” ho an’ireo hividy tany, ny “Soahonenana Trano” ho an’ny hanorina trano ary ny “Soahonenana Asa” ho an’ireo hanavao na hanitatra na hanamboatra ny simba. Tsiahivina fa maimaimpoana, mandritra ny telo volana, ny fisoratana amin’ny “Pack Ebène Or”. Lohahevitra hohazavain’ny talen’ny tambajotra banky ao amin’ny BFV-SG, ho an’ny mpitsidika sy ny besinimaro, anio zoma 12 oktobra mandritra ity hetsika ity, ny hoe “ny fampindramam-bola mikasika ny fanorenan-trano”. Tsiahivina fa anisan’ny banky voalohany takin’ny mpanjifa ny BFV-SG, ho an’ity taona 2018, araka ny fanadihadian’ny IPSOS, ny jona farany teo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.