Flash
Préc Suiv

Ankadifotsy: jiolahy iray tratra niditra an-tsokosoko tao an-tranon’olona

Ankadifotsy: jiolahy iray tratra niditra an-tsokosoko tao an-tranon’olona

Noraisim-potsiny ilay jiolahy nikasa hangalatra ka niditra an-tsokosoko tao an-tranon’olona iray eny Ankadifotsy, afakomaly…

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro teny Ankadifotsy raha niditra an-tsokosoko tao an-tranon’olona ity jiolahy iray ity. Nihevitra izy fa tsy nisy olona tao an-trano ka nanararaotra saika hangalatra . Nijerijery ny manodidina ity jiolahy ity ka rehefa nahita fa tsy misy olona ny manodidina dia niditra tao amin’ilay trano izy. Ilay tompon-trano anefa tao amin’ny efitra iray hafa ka nifankahita tampoka tamin’ity  jiolahy. Tsy nahetsika ilay olon-dratsy ary niantso polisy avy hatrany  ny tompon-trano ka noraisim-potsiny izy.

Jiolahy iray hafa kosa tratra teny Andravoahangy tamin’io fotoana io. Araka ny fanazavan’ny polisy, efa raindahiny amin’ny fanendahana sy harom-paosy ity saron’ny polisy ity. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy. Polisy nanao fisafoana teny amin’ny Rotsirotsy Andravoahangy no nahita ity jiolahy ity nanendaka ka nifanenjehana avy  hatrany. Faritra isan’ny malaza ratsy aary mampitahotra ny olona, indrindra ireo tratra hariva ny eny amin’ny manodidina ny Rotsirotsy Andravoahangy ity. Misy hatrany ny fisafoana matetika ataon’ny polisy eny amin’iny faritra iny ka izao nahitam-bokany izao. Voalaza fa hatramin’ny vehivavy aza, manendaka rehefa alinalina iny ary mitondra faisana izay tratran’izy ireo. Efa natolotra ny fampanoavana ireto jiolahy ireto.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique